Parlemantera Malagasy sy Sinoa: hivelatra ny fiaraha-miasan’ ny roa tonta

Nitsidika ny Antenimieran­doholona malagasy, eny Ano­sy, ireo delegasionina Sinoa, ahitana parlemanta avy amin’ny « Assemblée populaire de Chine », omaly. Fitsidihina tafiditra ao anatin’ny fivahinianany eto Madagasikara. An­koatra ny fitsidihina ny La­pan’ny Antenimierando­holo­na, nisy ihany koa ny tafatafa teo amin’ny tomponandraikitry ny Antenimierandoholona ma­l­a­gasy sy ireo Parlemanta Sinoa ireto. Tao anatin’izany no namelabelarana ny fomba fiasan’ny Antenimierando­holo­na sy ny lanjan’izany Andrimpanjakana izany eto an-toerana.
Ao anatin’ny fitsidihina an’i Madagasikara, ireo delegasionina Sinoa, tarihin’i Zhong Shan, mpikambana eo anivon’ny vaomiera maharitry ny « Assemblée populaire de Chine », amin’izao. Mariky ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny vondrom-pinamanan’ny parlemantera malagasy sy Sinoa, indrindra ho fifampizarana traikefa eo amin’ny Antenimiera roa tonta izao fitsidihina izao. Tanjona ny hampitombo sy hampivelatra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, indrindra ny fanamafisana ny diplomasia parlemantera. Hitohy, anio, izany fitsidihina izany ary eny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena indray ireto vahiny ireto no hanatanteraka izany fitsidihina ataony izany.

Lin

Partager sur: