Rakotondravelo Hajatiana Martin : ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Talatamaty

Tontosa omaly, teny amin’ ny biraon’ny Ovec Ambohi­dra­trimo, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidian-dRakotondravelo Hajatiana Martin. Ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, izy no nirotsaka ho ben’ny Tanàna, ary amin’ny alalan’ny tsy miankina. Ankoatra ny fahareseny lahatra manokana sy ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny kaominina, nanosika azy hirotsaka hofidiana koa ny fangatahan’ireo mponina ao an-toerana. “Kaominin’i Talatamaty mifanavotra ho fampandrosoana ny fokontany”. Io no teny filamatry Rakotondravelo Hajatiana Martin, ao anatin’izao filatsahan-kofidiana izao.
Nandray fanapahan-kevitra ny hirotsaka hofidiana ny tenany, noho ny fahatsapana fa natao ankilabao ny fokotany ka nahatonga ny kaominin’i Talatamaty eo amin’izao toerana misy azy ankehitriny izao. Vonona ny hitondra ny kaominin’i Talatamaty ho amin’ny toerana sy endriny tsaratsara kokoa izy, amin’ny alalan’ny fampandrosoana ireo fokontany 12 mandrafitra ny kaominina. “Aleo eny ifotony mihitsy no mandray an-tanana ity fampandrosoana ity”, hoy ny nambarany. Kandidan’ny rehetra koa izy araka ny voalazan’ny mpanara-dia azy noho ny famondronana ireo ankolafin-kery ho iray lisitra aminy.

Lin

Partager sur: