Salon de l’auto 2024 : Fiara sy loka maro hosarihana

Fotoana mampiray ireo mpankafy fiara ny «Salon de l’auto» 2024. Hiavaka tanteraka ny andiany faha-14 amin’ity taona ity. Hisy ny lalao «Tombola SMS» hahazoana fiara vaovao, moto, finday avo lenta avy amin’ny Telma Madagascar ary loka maro samihafa avy amin’ireo mpanohana ny «Salon de l’auto». Marihina fa natokana ho an’ny mpanjifa Telma Madagascar ny lalao ka tsy voafetra ny fandraisana anjara ho an’ny tsirairay. Atao ny 13 oktobra kosa ny fisarihana izay tsara vintana. «Toy ny tamin’ny taon-dasa, hanolotra karazana fiara vaovao avokoa ireo mpikambana ao amin’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra fiara eto Mada­ga­sikara (GCAM) ka afaka misafidy izay tiany ilay tsara vintana», hoy ny mpikararaka ny hetsika sy ny mpiara-mio­mbon’antoka amin’ny Telma Madagascar, Raharimanjato Eli Malala, omaly, tetsy Andranobevava.
Ankoatra izay, hampiranty sy hanolotra ireo fiara vaovao sy hiaka farany ny GCAM. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny fiaingan’ny «Grand Ral­lye International de Mada­gascar», ny zoma 11 oktobra. «Zava-baovao amin’ity andiany faha-14 ny fampisehoana ny fiara mandeha amin’ny herinaratra (hybride) ho fitsinjovana sy fiarovana ny tontolo iainana» hoy ny sekretera jeneralin’ny GCAM, Ramaro­son Rado.
Tsiahivina fa hotanterahana ny 10-13 oktobra eny amin’ ny CCI Ivato ny Salon de l’auto 2024. Lohahevitra amin’ity taona ity ny hoe «fahafahana mihetsika sady maharitra» (Mobilité et Durabilité).

Henintsoa Hani

Partager sur: