Slalom – Mada 2024: hiditra amin’ny dingana fahenina

Hotanterahina ny sabotsy 28 sy ny alahady 29 septambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerintsiatosika ny dingana fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Slalom sy ny course de côte, taranja mekanika. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana ity. Satria, dingana mialoha ny farany ka mety efa hamaritra sahady izay hisalotra ny anaram-boninahitra amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity.
Hahatratra 2900 m ny halaviran’ny lalana hifaninanana amin’ity. Toy ny mahazatra, hisy ny andrana tsotra arahin’ny andrana hakana fe-potoana ka hanainga voalohany izay manana ny tsara indrindra. Hisy dingana roa ny fifaninanana ka mifamadika indray ny fiaingana eo amin’ny dingana faharoa. Mandeha farany izay nahavita fe-potoana tsara tamin’ny dingana voalohany.
Hisy fiaingana roa “A” sy “B” ny fifaninanana ka samy hataon’ny mpifaninana izy roa ireo. Tsiahivina fa handray anjara amin’ity ny fiarakodia “4 roues motrices”, ny “2 roues motrices”, ny “tout terrain” sy ny «cross car», ary ny SSV.

Torcelin

Partager sur: