SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 23 oktobra ka hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena amin’ ny baolina kitra lalaovina anaty efitrano «futsal». Fifaninanana karakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hisy sokajy dimy izany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara izany, ny U13 ; U15 ; U17 ary ny «véteran» mihoatra ny 35 taona sy ny mihoatra ny 45 taona.

Hiditra amin’ny andro faharoa anio ny
fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra «world cola ligue des champions» na ny D2 National. Eny amin’ny kianja Ambohidratrimo no hifampitana ny FC Theo sy ny AS Fosa. Hifampitana, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium kosa ny FCA Ilakaka sy ny FC Avenir du Sud. Mety efa ho fantatra eo izay hisalotra ny anaram-boninahitra.

Hitohy ny sabotsy 28 sy ny alahady 29
septambra izao, ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”. Lalao 29 no hatao mandritra io roa andro io ary kianja 3 no handray ireo lalao ireo, toy ny efa mahazatra: Andraisoro, CEG Nanisana ary Fokontany Amboditsiry.

Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana “Combat International”, ahitana taranja 3 (K1, Jiu-Jitsu, pancrace). Fifaninanana karakarain’ny klioban’ny Guerreros Team, taranja JJB.

Partager sur: