TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra any Berlin ry Erick Manana sy Jenny. Hilalao ao amin’ny « Kirche auf dem Tempelhofer Feld » izy ireo ny sabotsy ho avy izao. Hanaraka azy amin’izany i Passy eo amin’ny valiha, Miriam Lormes eo amin’ny alto ary i Hery Andrianasolo hilalao ny angorodao. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taona niarahan’i Erick Manana sy Jenny an-tsehatra ihany izao fitetezam-pirenena hataony izao.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny sendikan’ny mpanakanto na ny Syka, sy ireo avy ao amin’ny orinasa Manoova, omaly. Fampahafantarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, momba ny Moozik, ilay sehatra ivarotana ny sanganasan’ireo mpanakanto manaraka ny teknolojia, io. Efa maromaro ireo fifandresen-dahatra nialoha izao dingana voalohany amin’ny fiaraha-miasa izao.
Samy antsoina amin’ny zavatra ataony avy ! Raha manahirana ny famaritana ny antsoina hoe « kanto », « mpanakanto », maninona raha antsoina amin’ny ataony ny tsirairay fa tsy atao safobemantsina tahaka ny heno nanomboka ny taona 1976 ? Ny mitendry gitara, mpitendry gitara. Ny manao hosodoko, mpanao hosodoko. Ny mihira, mpihira, sns. Amin’izay, hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Ny izy sy ny tsy izy !
Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 28 septambra 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Salon de la Gastronomie ». Hetsika iray hanasongadinana ny haify sy ny tontolon’ny nahandro, indrindra ny eto Madagasikara. Atrikasa, velakevitra, fampiratiana maro samihafa no handravaka ny hetsika.

Partager sur: