Tsy asa fa kabary !

 

Raha nahazatra hatrizay ny filazana ho « asa aloha fa tsy kabary », dia mivadika ny rasa amin’izao fotoana izao. Napetrapetraka noho ny finamanana sy ny valibabena ny ankabeazan’ny nomem-pahefana hanatanteraka eto amin’ny firenena. Sanatrian’ny vava poakaty, tsy hita izay asa mivaingana fa lany andro amin’ny fisehosehoana sy ny fandokafan-tena. Toy ny mahazatra, nanolo olona fa tsy mba nanatsara fomba fiasa.
Ny an’ny sasany : maivana dia maivana ny drafitrasa hatreto. Mamita-tena amin’ny sarintsarina zava-bita tsy misy fiantraikany amin’ny tombontsoan’ny besinimaro. Ny manahirana azy dia ny fitadiavana mpiara-miasa amin’ny fomba « sadasada », tsy fampiseho masoandro. Efa ho roa volana izao ny nahatafapetraka ny governemanta fa zara raha misy minisitera telo aman’efatra no miasa sy mahazo vokatra azo tsapain-tanana.
Misy ny minisitra mamaly faty ny olona nondimbiasany no mahamaika azy. Raha atao indray mijery, tsy misy zava-pantany akory ny andraikitra apetraka aminy. Manginy fotsiny ireo heverina ho ampy traikefa, saingy efa nilaozan’ny toetrandro na ny fanaovana ilay asa aza. Asa na amin’ny maha zanaka an-trano sy mahay nilampilampy no nametrahana ireny minisitra ireny ?
Mihazakazaka ny toe-draharaha, mila olona mitondra vokatra azo tsapain-tanana sy mahakasika ny tombontsoan’ny fitondrana tohany sy ny politika ankapoben’ny firenena i Madagasikara. « Tsy maintsy mandroso » rahateo ny filamatra ka asakasak’izay nanendry sy notendrena hiray tsikombakomba amin’ny tsy fandehan’ny raharaha.
Hatreto aloha raha mijery ny mari-drefy dia lany andro amin’ny kabary sy ny ravidravina an-tentina ny ankamaroan’andriamatoa sy ramatoa ! Mbola mitrandraka volontany angaha ? Ny mampalahelo, ny vahoaka madinika hatrany no mahita faisana sy voafitaka

r.r

Partager sur: