Tsy ho afa-mandroso : miandry vahiny hatrany ny Malagasy

Tsy manam-bola matoa omen’ny vahiny famatsiam-bola. Tsy manam-bary matoa manafatra vary. Tsy manana manam-pahaizana matoa miondrika eo anatrehan’ny zava-boalazan’ny vahiny, sns. Saika tsy ananan’ny Malagasy sy i Madagasikara avokoa ny zava-drehetra matoa voasokajy ao anatin’ny firenena farahidiny eto ambany masoandro. Miaina ao anatin’ny fahantrana lalina.
Na fomba fiteny tsy nipoitra avy tamin’ny fahendrena malagasy aza ny « kristianina tsy manda fanomezana  ». Tsikaritra fa efa zary iainan’ny Malagasy izany ankehitriny. Difotry ny tsy fahampiana sy ny fahasahiranana loatra. Minia mikimpy ka tsy mahita akory ny kizo idirana vokatry ny « kristianina tsy manda fanomezana ».
… Fa, eo amin’ny fomba amam-panao, fahalalana, kolontsaina, zavakanto, teny… Mbola miandry vahiny ihany koa i Madagasikara sy ny Malagasy, kanefa, tena manana ny maha izy azy. « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha ». Porofo tsy azo lavina fa nahalala ny fisian’ny Zanahary ny Malagasy. Mana­na fahalalana momba ny Zanahary izy, kanefa, miankohoka eo amin’ny Andria­ma­nitry ny firenena hafa. Manana ny Zanahary, kanefa, miloloha, mitalaho, midodododo any amin’ny Andriamanitry ny hafa.
… Tsy ho afa-mandroso mihitsy ny Malagasy sy i Madagasikara, satria, voatsabaky ny vahiny avokoa ny momba azy manontolo !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: