VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka hifarana ny alahady izao ny « foire des produits halieutiques » andiany fahefatra, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny karazana hazandrano sy ny famokarana eto amintsika. Kitro ifaharan’ny fampiroboroboana ny toekarena rahateo ny jono.
Mikasa ny hamita ny lalàna vaovao momba ny fizahantany sy hanitsy ny olan’ny tany mifandraika amin’ny faritra fizahantany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana mba hampirisihana ny fampiasam-bola. 150 217 ireo mpizahantany tonga teto Madagasikara hatramin’ny faran’ny volana aogositra teo. Niakatra ny antontanisa raha oharina ny tamin’ny taona 2022. Saingy, mbola ambany noho ny tamin’ny taona 2019.
Maherin’ny 21 000 taonina ny vokatra tsaramaso ao amin’ny distrika Miandrivazo ary mahatratra 2,24 taonina/Ha ny vokatra azo nandritra ny taom-pamokarana 2024. Manampy amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra sy fampandrosoana ara-sosialy sy ara-toekarena any amin’ny faritra ny lalam-pihariana. Anisan’ny nanohana ny tantsaha tamin’ny alalan’ny fampitaovana azy hanatsarana ny vokatra ny tetikasa AD2M vatsian’ny Fida vola.
Nodinihina, omaly, ireo sakana manaparitaka ireo fomba famokarana mahomby toy ny famokarana Biolojika, ny fampiroboroboana ny agroekolojia, ny famokarana mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro ary ny “agroforesterie” na ny “alavadim-boly” eny anivon’ny tantsaha. Nojerena ihany koa vahaolana mifandraika amin’izany.

Partager sur: