Fanamby apetrak’i Madagasikara ny hanafoanana ny fisian’ny entona karbona, entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasik’izany koa ny ankizy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana avo lenta mahakasika ny lohahevitra “net zéro carbone”, ao anatin’ny fivoriambe iraisam-pirenena ny Firenena mikambana andiany faha-79, any New York, ny minisitry ny Raharahambahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Max Andonirina Fontaine, ny 23 septambra teo. Fivoriana iarahana amin’ny FAO, ny Pnud, ny Gef, ny Pnue, ary ny Planet Labs, ahitana firenena 5, ka anisany i Madagasikara. Mifototra amin’ny hanafoanana tanteraka ny karbona ny fivoriambe. Nanamafy ny fahavononany i Madagasikara, izay hametrahana vahaolana maharitra sady ho fitaratra ho an’ny firenen-kafa amin’ny fanagiazana karbona. Eo koa ny ady sisika amin’ny fangatahana famatsiam-bola mifanandrify amin’izany. Hafatra hampitain’i Madagasikara mandritra ny fihaonambe cop29 any Bakou Azerbaïdjan amin’ny novambra 2024, ny hoe “Firenena ho an’ny asa sy vahaolana, vonona hiady amin’ny fiovan’ny toetr’andro”. Nisongadina tamin’ity loabary an-dasy ity fa mila henoina sy raisina ny feo sy ny filan’ny taranaka any aoriana, mba hananganana hoavy maharitra.
Njaka A.