Raikitra izany ny lalao! Miditra tsikelikely ny mpandimby ny anaran-dray. Ny an’ny sasany any amin’ny politika, ny an’ny hafa any amin’ny fandraharahana. Samy zanaky ny henjana tokoa ka tsy mifampidera taim-by.
Mitovy izy ireo fa tsy sahala, hoy Ramalagasy izay. Mibaribary fa samy baikoin’ny tombontsoany. Dia inona moa fa lova tsy mifindra e! Efa azy ireny ny tanàna. Tsisy bedy rahateo, hoy ny fitenin-jatovo. Malalaka sy manaja ny fahafahan’ny tsirairay rahateo ny Lalàmpanorenana malagasy.
Efa izay no zotra politika misy ankehitriny izany koa andrasana ny fahaizan’ny mpifidy sy ny vahoaka. Tsy hihinana am-bolony na ho voafitaka sy ho voaviraviran’ny mpilalao politika ka ho zary valalabemandry mandrakizay eo.
Iaraha-mahalala fa ilana fifohazana faobe ny zava-misy iainana eto Madagasikara, ankehitriny. Mila fandraisana andraikitra mitambabe ho an’ny tombontsoa iombonana. Vanin’andro hijoroana sy hanamafisana ny finiavana hanao zavatra tsara ho an’ny taranaka sy ny taninjanaka izao. Samy tompon’antoka amin’izay hiseho eo na ny hofidina na ny hifidy. Na izany na tsy izany, adin’ny samy goavambe aloha ny hiseho!
r.r