Angovo azo havaozina : hitombo ny famokarana eny amin’ny distrika

Hanomboka tsy ho ela ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (parcs solaires) izay hamokatra angovo 50 MW. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ireo fandaniana rehetra momba ny ”dédouanement” sy ny hofan’ny toerana nitahirizana ireo fitaovana alohan’ny hanapariahana izany any amin’ny distrika hametrahana azy. Laharam-pahamehana amin’ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra ireo tanàn-dehibe. Hisy ihany koa ny mpandrindra ny tetikasa mba hanaraha-maso sy hanafainganana ny fanatanterahana azy.
Marihina fa mbola ambany ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Manodidina ny 36% io taha io ny taona 2022, izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahasivy amin’ireo firenena zara raha misitraka angovo, araka ny tatitra navoakan’ny Tanjona fampandrosoana lovainjafy(ODD 7). Voalaza fa manana izay taha ambany indrindra izay ihany koa i Soudan Atsimo, izay 4% raha 10% kosa ho an’i Burundi. Zara raha niakatra ireo taha ireo nanomboka ny taona 2010 ho an’ireo firenena roa ireo, araka ny fanazavany.

Henintsoa H.

Partager sur: