Antananarivo Renivohitra : ho henjana ny fifaninanana

Adin’ny samy tanora! Adin’ny samy henjana! Kandidà samy manana ny maha izy azy miisa fito mianadahy no hifaninana ho an’Antananarivo Renivohitra

Nifarana omaly ny fametrahana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ireo maniry handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ho an’ny teny amin’ny Ovec Isotry, izay fametrahana antontan-taratasy ho an’Antananarivo Renivohitra. Niisa fito ireo ho kandidà nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Ani­san’izany i Harilala Ramanan­tsoa, avy amin’ny vovonana Irmar. Tojo Ravalomanana, avy amin’ny Antoko Tim, tohanan’ny vovonana Firaisan­kina, i Tahina Razafinjoelina, avy amin’ny antoko Tia Tanin­drazana, tohanan’ny vovonana Kolektifan’ny Malagasy. Manampy ireo i Ndriana Raza­namasy, avy amin’ny antoko Iarivo Mandroso, i Gascar Fenosoa, avy amin’ny Mou­vement Gascar, i Monja Roindefo Zafitsimivalo, avy amin’ny antoko Monima ary Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara, avy amin’ny tsy miankina.
Hangotraka ny fifaninanana mandritra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, indrindra ho an’ny Ta­nànan’Antananarivo. Samy manana ny maha izy azy ireo ho kandidà ireo ary hita ao avokoa na ny avy amin’ny mpanohitra na ny avy amin’ny mpanohana ny fitondrana. Tsy olom-baovao intsony ihany koa fa efa tazana nanarangarana taoriana sy nanohana ireo ray aman-dreny sy zokiny ihany. Hafana tokoa, araka izany, ny zotram-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Samy manana ny antony nanosika azy hilatsaka ho fidina ny rehetra, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo nandritra ny fametrahany antotan-taratasy filatsahan-kofidina. Hany iraisan’ny rehetra kosa ny fampandrosoana ny tanànan’ Antananarivo.

Tompon’ny teny farany ny vahoaka
Manoloana ny toe-java-misy sahala amin’izao no ilana ny vahoaka. Ny vahoaka izay hifidy sy tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana izay hitantana azy sy ny tanànany. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, indrindra ny fandrotsaham-bato mandritra ny andron’ny fifidianana. Anisan’ ny tokony hojeren’ny vahoaka mpifidy ny foto-kevitra hijoroan’ny kandidà sy ny vinan’asany ho an’ny tanàna.

Lin

Partager sur: