Faritra lehibe indrindra amin’ny faritra 14 nanaovan’ny USAID Access ny fandaharanasa momba ny fahasalamana ny ao Atsimo Andrefana. Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tany an-toerana, ny fandaharanasa ary nanaovana ny tombana ny zava-bita.
“Nahafa-po ny vokatra teto amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hoy ny talen’ny fandaharanasa USAID Access, Dr Raharison Serge, satria tafapetraka ny fototra hahafahan’ny ekipan’ny fahasalamana miroso amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana”.
Nandritra ny 5 taona nanatanterahana ny fandaharanasa, voaporofon’ny tarehimarika fa nihatsara ny vokatra ary mahavelombolo ny fahavononana ananan’ireo vato namelan-kafatra ho afaka mandeha irery, hahaleotena sy hampihatra ireo fiofanana nomena ary hanohy ny fampivoarana efa natomboka.
Tanjon’ny fandaharanasa ny fampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza. Sehatra maro no niasana nahafahana nanatratra ny tanjona. Nifototra tamin’ny tantsoroka teny ifotony, ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa, ary ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly.
Nohatsaraina ny rafitry ny fahasalamana, ny fampiofanana amin’ny fandrindrana ireo famatsiana fanafody, fanaovana tatitra ara-pahasalamana…
Misy “coin jeune” 9 ahafahana manovo fahalalana sy anaovana fanentanana ho an’ireo tanora. Toerana izay hipetrahan’ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 266, voafantina ho filamatra. Miisa 716 ny mpanentana ara-pahasalamana efa mampiasa ny smartphone hanaovana tatitra haingana mahakasika ny fahasalamana any amin’ny foibe. 3 600 ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
« Vavolombelon’ny fivoarana teo amin’ny sehatry ny fahasalamana tato amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny tenako. Mirary ny hitohizan’ny fandaharanasa toy izao satria tena tantsoroka ho amin’ny fampivoarana miainga ifotony izao », hoy ny governora, Tovondrainy Ranoëlson Edally.
Tatiana A