Faribolana Sandratra 35 taona: fantatra rahampitso ny mpiantsa tononkalo sangany

15 mianadahy izy ireo no hiatrika ny famaranana amin’ ilay fifaninanana miantsa tononkalo, ampanaovin’ny Faribolana Sandratra. Hetsika « Andeha isika hamorona olona tahaka antsika », tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 niorenany. Ahitana an’i Kiady Andrianarimalala, Fahasoavana, Tsiferana Mami­saholy, Ny Volantiana, Fimandi Marïsca, Ikala Kely, Miantsa Niaina, Diart Mikalo, Fano­mezantsoa, Racl Joseclaudio, Kanto Faniry, Miaro Zo, Rami­andrisoa Daniel, Jean Pierre ary Fanomezana. Mpitsara telo avy amin’ny vondrona sami­hafa, samy ao anatin’ny tontolon’ny literatiora sy ny fiseharana no hitsara ny fifanina­nana. Marihina fa ny 25 aogositra teo no nanatanterahina ny dingana fifanintsanana ka 28 no isan’ireo mpifaninana.

35 taona nijoroan’ny Fari­bolana Sandratra. Nosokafana tamin’ny fomba manetriketrika ny 11 janoary 2024, tao amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy tamin’ny alalan’ny lanonana sy velakevitra. Notohi­zina tamin’ny famoaham-boky: “Amboara voalohany” natonta fanindroany ny volana jona teo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: