Fiarahamonina: Miboridana andro aman’alina ny Malagasy

Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Saika voafehin’ireny ny ankamaroan’ny andavanandrom-piainany mba tsy hihoa-pefy. Olon-kendry, olom-banona, fototr’olona, sns, no niantsoany ireo nikajy sy nampita izany… Ankehitriny, tapaka ny arofanina, niboridana ny Malagasy !

Tsy vitan’ny nesoriny fa nariany ny ankamaroan’ny maha Malagasy azy, hany ka tsy mitsaha-miboridana andro aman’alina. Ny olona miboridana, lany henatra. Very saina ka tsy hanana tahotra an’Andriamanitra. Tsy mahalala olom-pady. Vetaveta fiaina sy fisaina. Manitsaka ny fanahy maha olona … Ampahany amin’ny zava-manjo ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao ireo. Nanaboridana ny tenany ny Malagasy!
Naboridan’ny vahiny andro aman’alina ihany koa anefa. Tovovavy malagasy, mivaro-tena amin’ny vahiny eto an-tanindrazana sy any ivelany. Miboridana ara-bakiteny! Ireo harem-pirenena, trandrahina sy robain’ny vahiny. Miboridana i Madagasikara! Ny taranaka malagasy nitafy maotina nanaja ny vatany fahiny. Nampidiran’ny vahiny, akanjo rovidrovitra sy fotom-pisainana mifanaraka amin’izany ihany koa. Miboridana ny tanora malagasy! Ireo hira mampita anatra nosimbain’ireo forongom-bahiny ka zary fampandihizam-body ny ankamaroany. Miboridana ny zavakanto malagasy!
Manara-davahana fotsiny

Tsy mba afaka nanda na nitsipaka ny fanaboridanana natao azy ny Malagasy sasany. Noraisiny ho « fandrosoana » ny anka­maroan’ireny ka vao mainka nampirehareha azy indray. Nanara-davahana fotsiny ny ampahany amin’ireo ray aman-dreny. Ma­nomboka tsy tazana ny fisian’ny ankohonana sy ny asa saha­niny amin’ny famolavolana olom-banona eo amin’ny Malagasy.
Ankoatra ny fanarahan-davahana, niova tsy sahala amin’ny teo aloha intsony ny Malagasy, satria, niboridana ka nanary
ny momba azy. Nanjary Malagasy mitsingevana tsy manam-pototra. Tsofin’ny rivotry ny « fandrosoana », dia tsy mahatehin-tany ny tongony. Mihevi-tena ho vahiny na tsy mihetsika eto Madagasikara aza. Amboamboarina avokoa na ny fiteny, na ny fihetsika, na ny fisainana… Miova hatrany amin’ny faran’izay bitika indrindra!
… Taona 2024, tsy mitsaha-miboridana ny Malagasy sy i Madagasikara… Atsy ho atsy, sanatria, hidian’ny « sasany » ao anaty faritra voaaro tahaka an-dry zareo tompon-tany any Etazonia… Afaka 30 taona raha ela indrindra, nankaiza ny olon-tety?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: