Fivoriamben’ny mpirakidraharaha fitsarana : hanapahan-kevitra momba ireo fitakiana

Fanomezan-kasina ny maripahaizan’ny mpirakidraharaha fitsarana; fanatsarana ny fampidirana mpiasa maimaimpoana, nefa tsy mandalo fifaninanana sy fizaran-draharaha… Ireo no anisan’ny nangatahin’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM). Nan­dritra ny roa taona izay. Sain­gy tsy mbola nisy nivaly… “Mbola misy ny zavatra maromaro ankoatra an’izay: ny fahazoanay fahazoan-dalana manao fanenjehana na fitoriana. Nolavina izay rehefa teny ambony… Nefa zo tokony hanananay”, hoy ny filohan’ny SGM, Randriamaharo Alain Michel, teny Anosy, afakomaly, ny amin’izany. Ny fanatanterahana an’ireo fangatahan-dry zareo rehetra ireo dia hoe: “Aleo aloha ho vita ity dia ezahina jerena avokoa ny momba anareo rehetra. Hatao izay mety aminareo sady tsy mbola nanome na inona na inona ho anareo mihitsy aho hatramin’izay.” Fampanan­tenana tena mivaingana toy izany no natao. Nefa hatramin’izao antso an’efitra ny tabatabata, rano an-damosin’ny gisa… “Nanaiky tamim-pahendrena ny lamina hatramin’izay izahay, tsy nisy valiny”, hoy izy.
Noho izany, mampiantso fivoriamben’ny mpirakidraharaha manerana an’i Mada­gasikara eny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy, izy, anio. Satria toy ny hoe tsy nahazo vokatra izy tao anatin’ny fitantanany ny sendikà. Hodinihina amin’izany tatitra avy amin’ny SGM izany ny dingana vita, ireo fampanantenana tsy azo hatramin’izao… Eo koa ny fanomanana ny fifandimbiasam-pitantanana eto anivon’ny sendikà. Amin’izany no hanapahan-kevitra momba ireo fangatahana tsy nivaly.
Hiditra amin’ny fanairana na fitokonana ny sendikà sa… ? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: