Tanterahina anio alina, eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalana, ny “Guitar Beatz Experience”, iarahana amin’i Milon, avy ao amin’ny tarika Kazar. Mandritra ity hetsika ity no hanehoan’i Milon ny talenta sy fahaiza-manaony eo amin’ny fitendrena gitara. Ho re mandritra ny “Guitar Beatz Experience” ireo karazana fitendry sy gadona maro samihafa. Tanjona ny hanehoana ny maha izy izany fitendrena gitara izany sy hitaomana ireo mpisehatra amin’izany ho amin’ny tsara kokoa hatrany sy ny matihanina.
Fanararaotra lehibe ho an’ireo mpankafy ny fitendrena gitara isan-karazany ny anio hariva, eny amin’ny 44 Bistrot Tsaralalana. Ho lalaovin’ i Milon mandritra ny “Guitar Beatz Experience” ny fomba fitendry sy gadona maro sahala amin’ny “Unplugged”, “Classical Guitar”, “Latin Guitar”, “Guitar Hero Metal’. Manararaotra ny fandalovan’i Milon eto Madagasikara, ny Oz Rekordz, izay mpikarakara ny hetsika. I Milon izay sokajin’ ireo mpitendry gitara ho ao anatin’ireo sangany eto Madagasikara. Ankoatra ny fahaizana mitendry, anisan’ny mampiavaka ity mpanakanto ity ihany koa ny maha matihanina azy. Mpanakanto maro avy eto Madagasikara sy avy any ivelany no efa niara-niasa tamin’i Milon, tao anatin’izany fitendrena gitara izany. Ankoatra ny anio, hitohy rahampitso eny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy ny revy, saingy hibahan-toerana ny gadona Metaly, miaraka amin’ny tarika Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire.
Lin