Hazandrano : 150 000 taonina ny vokatra eto amintsika

Manodidina ny 150 000 taonina ny famokarana trondro eto Madagasikara. « Vo­ka­tra azo avy eny an-dranomasina sy an-dranomamy ary ny fiompiana izany », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra, omaly, teny amin’ny Kian­ja Barea Mahamasina. Imasoana, hoy izy, ny fiompiana anatirano mba hampakarana ny tahan’ny fihinana trondro isam-batan’olona eto Madagasikara izay tsapa fa mbola ambany. Tanjona ny hahatonga izany ho 11 kilao isan’olona, isan-taona, raha mbola 7 kilao isan’olona, isan-taona, izany amin’izao fotoana. Misy ny paikady hataon’ny minisitera enti-manatanteraka ny vina apetraka hampakarana ny famokarana sy hanatrarana ny fanjarian-tsakafo ary ho loharanon-karena ho an’ny tokantrano. Eo ihany koa ny fampiofana omena hampiroboroboana ny lalam-pihariana sy hampirisihana ny olona hisehatra ao anatin’ny jono.
Marihina fa haharitra efatr’andro ny Tsenaben’ny ha­zandrano andiany fahefatra. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny « Hazandrano antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ». Mahe­rin’ny 100 ireo tranoheva mampiranty sy mampahafantatra ny vokatra ataony eny an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: