Nitondra fanazavana mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Jirama sy ireo minisitera voakasik’izany, omaly. Nivoitra tao anatin’izay ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny zava-misy amin’izao.
«Hafainganina ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro 50 Mégawatts, manoloana ny olan’ny famatsiana herinaratra amin’izao fotoana », hoy ny tale jeneralin’ny Jirama, Row Weiss, omaly, teny Ambohijatovo, raha nanazava ny olan’ny famatsiana herinaratra. Vahaolana lavitr’ezaka kosa ny hanatanterahana ireo tetikasa goavana (Volobe, Sahofika, Ranomafana) hamahana tanteraka ny olana amin’izao. « Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maintany tanteraka isika izao, midina ambany dia ambany ny haavon’ireo farihy sy renirano ary miantraika amin’ny famokarana herinaratra sy fitsinjarana rano izany », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier. « Mahatratra 30 ka hatramin’ny 40 MW ny fahabangana eo amin’ny famokarana, izany hoe, 20 ka hatramin’ny 25% ny filana, izay hita fa tena ambony tokoa », hoy ny tale jeneralin’ny Jirama. Saika antitra avokoa, hoy izy, ireo fotodrafitrasan’ny herinaratra sy rano ary tsy mamaly intsony ny filana ankehitriny ny vokatra, miteraka fanamby goavana ho an’ny orinasa. Nisy ny vahaolana fohy ezaka tamin’ny alalan’ny fandatsahana orana artifisialy tamin’ny fiandohan’ny volana septambra teo izay nahomby ary nahafahana nampihena ny fahatapahan-jiro izany.
Famatsian-drano
Mahatratra 100 000m3 ny tsy fahampian’ny famokaran-drano eto an-drenivohitra, Antananarivo Avaradrano sy Antananarivo Atsimondrano ary Ambohidratrimo. Hifantoka amin’ny fitsinjarana rano amin’ny kamiao mankany amin’ny tankin-drano ho an’ireo toerana tsy misitraka izany ny Jirama. « Ho ampitomboina ny isan’ny kamiao mpitatitra rano ary hanome kamiao fanampiny ihany koa ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana sy fidiovana », hoy ny minisitra Andrianamelasoa Lalaina.
Ankoatra izay, hisy ny fametrahana lavadrano miisa 35 ka eto an-drenivohitra ny 7,14 ho an’Antananarivo Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 ao Ambohidratrimo. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa mitentina 4 995 019 000 Ar ny teti-bidin’ireo asa ireo. Vahaolana lavitr’ezaka ny fanorenana fotodrafitrasa fanadiovan-drano miisa roa, 50 000m3 . Hosoloina ihany koa ireo fantsona lehibe mitondra rano, hampiana ireo paompy efa misy sy ireo milina hiarovana ny fitohizan’ny fitsinjarana.
Henintsoa Hani