Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fifaninanana « Olympiades d’échecs », andiany faha-45, natao tany Budapest, ny 10 hatramin’ny 23 septambra teo, na dia tsy nahazo medaly aza. Atleta malagasy 3 mianadahy no nahazo anaram-boninahitra, taorian’ny fifaninanana. Anisan’izany i Miora Ismael, izay nahazo ny “Candidat Maitre” (CM). Tao amin’ny sokajy “Open” no nifaninan’ity tompondakan’i Madagasikara, lalaon-tsaina échecs ity. Teo amin’ny laharana faha-105 tamin’ny mpandray anjara 188 no nisy an’i Madagasikara, teo amin’io sokajy “Open” io.
Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, laharana faha-98 amin’ny mpandray anjara 169 no nisy an’i Madagasikara, izay tena nahitana fivoarana lehibe ho an’ny Malagasy mpanao échecs, vehivavy. Ankoatra izay, nahafahan’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra sy Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana nahazo ny anaram-boninahitra “Woman Candidat Maitre” (WCM) izany fiakaran’ ny laharan’i Madagasikara izany. Tsiahivina fa atleta malagasy 9 mianadahy (5 lahy sy 4 vavy) no niatrika ity “Olympiades d’échecs” natao tany Budapest ity, ny herinandro lasa teo.
Mi.Raz