Hanomboka anio ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy, izay hatao any Dubaï. Ny ekipa nasionalin’i Espagne no hifandona amin’i Madagasikara.
Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Sevens Stadium Dubaï, ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagasikara sy ny Las Leonas Espagne. Lalao izay tafiditra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja rugby, sokajy vehivavy, « WXV III », hatao manomboka anio hatramin’ny 12 oktobra, any Dubaï. Tsiahivina fa amin’ity ny Makis Ladies vao hifandona amin’ny ekipam-pirenena eoropeanina eo amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona 15. Araka ny fikarohana natao, efa nanao lalao andrana tamin-dry zareo Springboks Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena espaniola. Lavon’ny Springboks, tamin’ny isa 36 no ho 19 ry zareo Las Leonas, ny 19 septambra lasa teo. Eo amin’ny laharana faha-13 maneran-tany izy ireo amin’ny filaharana navoakan’ny World Rugby. Ny 20 septambra teo kosa, nomontsanin’ny Lionesses Kenya, 63 no ho 19 ny XV Makis Ladies, tany Kenya. Faha-25 kosa no misy ny Makis amin’ny filaharan’ny World Rugby. Raha ny vaovao voaray tany an-toerana, omaly, efa vonona tanteraka ireo Malagasy mpilalao rehetra ary hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo mba hahazoana vokatra tsara tsy ho ampoizin’ny rehetra.
Aorian’ity lalao ity, hikatroka amin’i Hong Kong indray ny Makis Ladies, ny zoma 4 oktobra ho avy izao, raha toa ka ny 11 oktobra indray izy ireo no hanao ny lalao fahatelo, izay hifanandrinana amin’i Samoa.
Fitia Randria