SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 23 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, Futsal. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy super Vétérans no handray anjara. Hifarana ny 15 oktobra ho avy io ny fisoratana anarana.
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Ambohidratrimo sy Elgeco plus, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, “World Cola Ligue des Champions”. Nahazo fandresena indray ny klioban’ny FC Avenir du Sud, ary azo antoka fa tafakatra any amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League”. Mitana ny laharana voalohany izy ireo, manana isa 11.
Hanomboka anio hatramin’ny alahady ho avy izao, any Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy lahy sy vavy, ho an’ny olona telo miaraka. Tsiahivina fa hisolotena an’i Madagasikara any amin’ny fifanintsanan’ny Nosy, izay voalohany amin’izany. Omena lelavola 1 tapitrisa Ariary kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Nahazo fandresena tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne “La Liga” indray ny ekipan’ny FC Barcelone, ny alarobia lasa teo. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Getafe FC. Tsiahivina fa nandritra ny lalao enina nataon’ny FC Barcelone, tamin’ity fifanintsanana ity, nahita fandresena foana izy ireo. Ny 26 oktobra ho avy io, hifandona amin’ny Real Madrid izy ireo.

Partager sur: