Tsy laitra iainana! Izay no ilazana ny zava-misy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vaky trano, olona voaendaka, fanafihana fiara mpitatitra eny amin’ny lalam-pirenena. Santionany amin’ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny mponina ao Toamasina izany. Tao anatin’ny roa andro, sesilany ny fanendahana mpitondra bajaj sy fiara kamiaobe mitatitra fitaovana hanaovana ny tetikasa ao Toamasina. Ny tolakandron’ny faran’ny herinandro teo, kamiaobe nijanona teo amoron-dalana no niharan’ny fanafihana tao Ambokatra Antanandava Rn2. Voalaza fa jiolahy dimy lahy nisaron-tava niaraka tamin’ny antsibe no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Novakin’ izy ireo tamin’ny tora-bato ny fitaritra teo aloha ka tsy nahazaka izany izy roa lahy tao anaty fiara. Nivoaka ireo roa lahy ka niharan’ny herisetran’ ireto jiolahy mpanafika. Vokany, naratra izy roa lahy ka tsy afa-nanohitra intsony. Lasa ny baterian’ny fiara, tsy vitan’ izany fa notrohan-dry zalahy tamin’ny zerikanina ny gazoala rehetra. Fiara nandalo no nitondra azy ireo namonjy hopitaly.
Ny alatsinainy tamin’ny 10 ora alina, avy nanatitra mpandeha tao Cité Canada no nosakanan’ny jiolahy. Mody nampiasa jiro mitsitapitapy firehitra toy ny fanaon’ny polisy misakana fiara ireo jiolahy. Tsy nahalala ny mpamily ka nijanona avy hatrany. Daroka sy vavabasy no niantefa teny aminy. Lasan’ireo mpanafika ny vola sy ny finday. Naratra mafy izy ka voatery naiditra hopitaly.
Sajo