Volley-« Mada D1 » : hiditra amin’ny manasa-dalana rahampitso

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana rahampitso, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, 1ère division, taranja volley-ball. Hatao anio kosa ny lalao ampahefa-dalana, ho an’ny sokajy lehilahy, raha ny fandaharam-potoana. Raha ny voka-dalao nandritra ny lalao ampahefa-dalana omaly, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny GNVB rehefa nandavo ny Bi’As tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-15/25-15/26-24). Nanjakan’ny GNVB tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta. Tafakatra amin’ny manasa-dalana koa ny MVBC rehefa nahazo fandresena nanoloana ny Mami, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-18/25-11/25-24). Nafana ny fifandonana teo amin’ny AMVB sy ASI tamin’ny ampahefa-dalana, omaly, ary tany amin’ny tie break vao afaka namaritra ny mpandresy, dia ny ASI izany. Seta 3 no ho 2 (25-18/25-22/17-25/20-25/9-15), araka izany, no nisarahan’ireto ekipa roa ireto. Lalao farany nitranga omaly, ny fihaonan’ny ECVB sy ny Squad ka nivoaka ho mpandresy ity farany, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-20/25-16/25-12).
Ho amin’ny anio, hifandona amin’ny ampahefa-dalana ny GNVB 1 sy ny ASSM, sokajy lehilahy, ny GNVB 2 sy ny ASI 2, ny Cosfa sy ASI 1 ary ny Mama sy ny Pole.

Mi.Raz

Partager sur: