Ambatovy : nisy nitriatra ny fantsombe mitondra akorantany

Nahitana tsy fahatomombanana tampoka ny fantsombe « pipeline », mitondra ny akorantany avy any Ambatovy Moramanga mankany Toama­sina. Nitranga izany ny 25 septambra teo tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny fokontany Akorabe, kaominina Ranomafana Atsina­nana, disitrika Brickaville. Niaraka nitondra fanazavana, omaly, ny talen’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana sy any ivelany ao amin’ny orinasa Ambatovy, Andrianaivo­ravelona Serge, sy ny talen’ny serasera, Ramahaleo Vony. Voalaza fa nisy nitriatra ny fantsombe ka votsotra nivoaka taty ivelany ny akorantany. Fepetra noraisina avy hatrany ny fampiatoana ny fampandehanana ny fantsomby, miainga avy any Ambatovy Mo­ramanga.
Nohetsehina daholo ny lafiny vonjitaitra mifanandrify amin’ny tranga toy izao araka ny fenitra ka efa any an-toerana ny ekipa misahana izany. Laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana. Napetraka ny aroloza ho an’ny mponina sy ny fizarana rano fisotro madio ho azy ireo.
Efa any an-toerana ihany koa ny ekipa teknika, manadihady ny antony tena nahatonga ny loza, iarahana amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE). Toraka izany koa ny fiara vaventy hanao ny asa fanarenana samihafa.
Marihina fa tany sy rano no taterin’ny fantsombe miainga any Ambatovy mankany Toamasina, ary tsy ahitana singa simika.

Njaka A.

Partager sur: