Andron’ny InTra : Iorenan’ny asa eto Madagasikara

Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fankalazana ny andron’ny Institut national du travail (InTra). Hetsika voalohany notontosaina teto Madagasikara, niaraha-niasa tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Mifototra amin’ny fanohanana ireo orinasa manodidina ny 100, sokajy samihafa, eto amin’ny Nosy, ny hetsika ataon’izy ireo amin’ny ankapobeny. Tanjona ny hampiroboroana ny dinika ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa, ahafahan’i Madagasikara mamokatra kokoa. Tonga nanokatra ny fankalazana, teny an-toerana, ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nasongadiny, nandritra izany, ny maha zava-dehibe ny fanehoana ny fahavononan’ ny firenena malagasy hanamafy ny dinika ara-tsosialy izay andrin’ny asa mendrika. Nohamafisiny koa fa mifanindran-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampivoarana ny loharanon-karena mifototra amin’ ny maha olona, ny indostria ary ny fitondrana tsara tantana. “Tokony hatao isan-taona ny fankalazana ny Andron’ny InTra ahafahana mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy hatrany izy. Rantsa-mangaika eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, ny InTra. Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka ny andro fankalazana voalohany.

Mino

Partager sur: