Jiolahy roa, nandroba tao amina tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Ankasina, afakomaly maraina. Nitondra sabatra lavalela, niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ireo jiolahy. Ny zana-drahalahin’ny tompon-trano no niambina ny trano tamin’io fotoana io. Nanao mora ny nangalan’ireo mpandroba ny entana sarobidy. Voaroba ny fahitalavitra, lektera niampy lelavola nitentina 500 000 Ar. Tsy sahy nanohitra noho ny tahotra ho vonoin’ireo roa lahy ilay niambin-trano. Nambanan’ireo jiolahy tamin’io fitaovam-piadiana io rahateo ity farany. Nahazo ny vola niampy ny entana, nikisaka saika handroba tao amin’ny tokantrano iray tsy lavitra indray ireo roa lahy. Noho ny tahotra ny mponina manodidina anefa, nanohy ny diany nandositra izy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany manoloana io tranga io ny lasibatra. Karohina ireo roa lahy nahavanon-doza. Raha tsiahivina, efa-dahy mpamaky trano teny Andraisoro sy Anosizato tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny 24 septambra teo. Nandroba vola mitetina 2 tapitrasa Ar izy ireo.
Tsiferana R.