FANTINA sy FINTINA

Ho fanomanana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra Diana, desambra 2024, nihaona tany Antsiranana ireo tomponandraiki-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina any an-toerana, omaly. Natsangana tamin’izany ny vaomiera dimy hiandraikitra ny fanomanana rehetra.
Nifarana omaly, teny Tsaralalàna, ny fivoriana faharoan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), izay natomboky ny filoha lefitry ny CSM, ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny 25 septambra lasa teo. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny amin’ny famindran-toerana, ny fampiofanana, ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana…
Nisintona ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiany Razanamahasoa Christine, izay nirotsaka hofidina ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa tampon-tanàna. Ny tsy nahazoany ny taratasy manamarina ny fandoavan-ketra no antony nisintonany izany. Ity filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ity izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny tsy miankina.
Saika nirotsaka ben’ny Tanàna amin’ireo renivohi-paritany avokoa ireo lehibe sy mpitarika antoko politika, indrindra ny avy amin’ny mpanohitra. Anisan’izany ny eto Antananarivo renivohitra, ny ao Mahajanga ary ny ao Toamasina. Ho henjana sy hafana, araka izany, ny zotram-pifidianana amin’ireo toerana ireo.

Partager sur: