Vita ny toeram-pitsaboana eny Antolojanahary, an’ny fikambanana Akamasoa tantanin’i mompera Pedro. Nanohana ny fananganana ny ftodrafitrasa ny département de la Vendée (Frantsa) rehefa nahita ny ezaka nataon’i Mompera sy ny mpiara-miasa aminy. Nanomboka ny taona 2010 no nijoro ny fikambanana Vendée Akamasoa hanao tantsoroka ny asa samihafa entina hanatsarana ny fiainan’ny mponina sahanin’io ivontoerana io.
Nahazo trano famakiam-boky sy efitrano fianarana vaovao vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny Conseil départemental de la Réunion koa ny fikambanana niaraka tamin’ny fikambanana Vendée Akamasoa ary tonga nanotrona ny fitokanana ny asa vita ny cheffe de la mission de coopération internationale et régionale du Conseil départemental de la Réunion, Isabelle Caussanel. Nanatrika ny fitokanana ny fotodrafitrasa rehetra vita ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara sy ny Président du Conseil départemental de Vendée, Alain Leboeuf, izay mitsidika eto Madagasikara.
Nanambara ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika fa vonona hatrany izy ireo hanohana ny tetikasam-piaraha-miasa mampandroso ny firenena sy mamaly ny filan’ny vahoaka.
Vonjy