Hiarovana amin’ny tazo: hizara lay 14 tapitrisa ho an’ny distrika 105 ny minisitera

Paikady iray hisorohana ny aretina tazo ny fampiasana lay misy fanafody. Vokatry ny ezaka natao, nihena ny tahan’ny zaza latsaky ny 14 taona voan’ny aretina tazo. Nidina koa ny isan’ny olona matin’ny aretina.

Mbola mamely ny aretina tazo eto Madagasikara, amin’izao fotoana. Satria, io no antony faharoa hanatonan’ny olona ny CSB sy ny tobim-pahasalamana ary aretina fahatelo mitarika amin’ny fahafatesana eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Fisorohana mahomby ny fampiasana lay misy fanafody izay zarain’ny fanjakana maimaimpoana isaky ny telo taona”, hoy ny talen’ny ady amin’ny areti-mifindra, Andriamino Brusa.
Hatao intelo miantoana ny fizarana, ka distrika 96 no hisantarana izany, ny volana oktobra ho avy izao, ary hitohy amin’ny novambra sy desambra. Mahatratra 14 tapitrisa ny lay hozaraina ho an’ny mponina anatin’ny distrika 105. Ankoatra ny fizarana lay, ny fanadiovana ny tanàna sy ny fampiasana lay amin’ny tokony ho izy mandavan-taona no fomba mahomby indrindra hiarovana ny olona. Tao anatin’ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, vokatry ny ezaka natao, nihena ny trangan’aretina tazo niseho ho an’ny ankizy latsaky ny 14 taona, nidina koa ny taham-pahafatesana vokatry ny aretina tazo. Distrika sivy no tsy ahitana tazo intsony: Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Manjakandriana, Ambatolampy, Soavinandriana… Maimaimpoana ny fitiliana ny aretina tazo sy ny fitsaboana ary ampy ny tahirim-panafody eny amin’ny tobim-pahasalamana. Atao isaky ny telo taona ny fizarana lay misy fanafody (mandroaka sy mamono moka), satria mahomby ao anatin’ny telo taona ny fanafody raha voahaja araka ny tokony ho izy ny fikojakojana azy. Nametraka paikady ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hiadiana amin’ny fivarotana ny lay tokony hozaraina maimaimpoana. Ho an’ny distrikan’i Marolambo manokana, betsaka ny olona voan’ny aretina tazo. Sarotra ny fitsaboana ny aretina tazo eny anivon’ny hopitaly ka ilaina ny fisorohana toy izao, hoy ny solombavambahoka voafidy any an-toerana, Andrianasolo Augustin.

Vonjy

Partager sur: