Ilay anaran-dray!

 

Resabe teny anivon’ny fiarahamonina sy ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mahakasika ny filatsahan-kofidin’ny zanaky ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ho ben’ny Tanànan’Antananarivo. Nahavariana fa lasa nifantoka be tany avokoa ny seraseran’ny mpanohana fitondrana. Nitabataba sy nanakiana ary nanatsatso ny zava-niseho.
Paikadin-tserasera diso amin’ny tontolo politika, indrindra raha mijery ny hodidina eto amin’ny Renivohitra. Mainka manome lanja ilay zava-miseho sy ny olona kinendry ho potehina izany. Tsy mbola hain-dRamalagasy mihitsy ny mangina sy mikombom-bava amin’ny zavatra tokony hanginana ve? Lasa manao dokambarotra ankolaka ilay mpifanandrina ny serasera heverina hisomparana azy.
Tsy hita ifanomezan-tsiny anefa ny fomba fanaovana serasera politika eto amintsika. Hatramin’ny nisian’ny governemanta vaovao, tsy hita mivaingana ny fanasongadinana ny asa vita. Hita ho lalaovin’ilay antoko iray, mpanohitra, ny zava-drehetra ka mila fandinihan-tena. Iaraha-mahalala rahateo ny vahoaka malagasy izay very tanteraka any anaty famakafakana politika. Takon’ny fandemen-tsaina sy ny fanesefana atidoha fotsiny.
Talentan’ny ankilany, ireo mpanohitra, rahateo ny mandrehitra ny afo sy mampijabaka. Izay heverina ho famonoana afo anefa dia avadik’izy ireo ho angovo sy fanoitra ho azy ireo ihany koa. Lasa voa roa ny mpiseraseran’ny fitondrana, indrindra ireo heverina ho mpisehatra amin’ny tambajotran-tserasera. Mitaky ezaka misimisy kokoa ny fanaovana ny seraseram-panjakana. Voakasik’izany ny fandokafana ny an’ny tena, sy ny fandrendrehana ny mpanohitra.
Hatreto, diso adihevitra ny mpanao politika. Tsy izay anaran-dray ifandovana no tena fototr’olana fa ilay fomba fitantanana an’Antananarivo, indrindra ny hitazomana izay efa vitan’ny teo aloha.

r.r

Partager sur: