Kaomisiaonin’ny ranomasimbe Indianina : misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara

Anisan’ny hanasongadina an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty amn’ny faritry ny ranomasimbe Indianina izao maha sekretera jeneralin’ny COI, an-dRazafindravahy Edgard izao.

Tanterahina ao amin’ny Hilton, ao Flic en Flac, Maorisy, ny alatsinainy 30 septambra 2024, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Kaomisiaonin’ny ra­no­masimbe Indianina(COI), Razafindravahy Edgard. Ma­nam-pahefana sy olona manan-kaja maro aty amin’ny ranomasimbe Indianina no hiatrika izany. Anisan’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Ankoatra ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneralin’ity vondrona ity, hisy ihany koa ny fihaonana eo amin’ny filoham-pirenena malagasy sy ny praiminisitra maorisianina, Pravind Kumar. Fanama­fisana ny fiaraha-miasan’ny Nosy roa tonta sy ny ao anatin’ny vondrona no ifantohan’izany fihaonana izany.
Anisan’ny porofo hampisongadina eto amin’ny sehatra rejionaly sy aty Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena an’i Madagasikara izao fandraisan-dRazafindra­vahy Edgard ny toerana maha sekretera jeneralin’ny COI azy izao. Tsiahivina fa nanolotra kandidà mifaninana amin’ny fifidianana ho filohan’ny Kaomisiaon’ny Vondrona afrikanina ihany koa isika.
Inoana fa hahafahan’i Madagasikara manamafy ny ady sisika amin’ny resaka diplaomasia ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena izao fandraisan’ny sekretera jeneralin’ny COI ny toerany izao. Anisan’ny imasoan’i Mada­gasi­kara ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny COI sy hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Inoana fa ho tsindrin’ny filoha Rajoelina Andry ireo teboka ireo mandritra ny fandraisam-pitenenany.
Niforona ny taona 1984 ity fikambanana ity, tamin’ny alalan’ny “Accord de Victoria”, izay nosoniavina tao amin’ny Nosy Seychelles. Anisan’ireo firenena nanangana azy i Madagasikara. Miisa 5 ireo firenena mpikambana ao aminy ankehitriny ahitana an’ i Maorisy, Seychelles, Como­res, Frantsa amin’ny alalan’ny La Réunion ary Mada­ga­sikara.
Malagasy no nitana ny toerana Sekretera jeneralin’ity fikambanana ity voalohany, tamin’ny alalan’Itompokolahy Rasolondraibe Henri, tamin’ny taona 1984. Maharitra 4 taona ny taom-piasan’ny sekretera jeneralin’ny COI. Ny taona 2004, nitazona izany toerana izany i Esoavelomandroso Monique Andreas, Malagasy. Roapolo taona aty aoriana indray izany vao misy Mala­gasy mitazona io toerana io amin’ny alalan-dRazafindra­vahy Edgard. Mifanojo amin’ny faha-40 taon’ny COI rahateo izao fandraisan’i Mada­ga­sikara ny toerana maha Sekretera jeneraly izao.

Lin

Partager sur: