kitra – «D2 Nationale» : hafana ny fiadiana ny toerana faharoa

Na efa fantatra mialoha aza fa ny FC Avenir Androy no tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny “World Cola Champions League” na ny “D2 Nationale”, taranja baolina kitra, mbola ady goavana ny laharana faharoa. Ho fantatra rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium izany. Hiady ny tapakila amin’izany toerana izany ny FCA Ihosy sy ny FC Theo ary ny AS Fos Analanjirofo. Hifandona eo amin’ny andro farany ny AS Fos sy ny FCA. Etsy ankilany, hifanandrina ny FC Theo sy ny FC Avenir. Raha tsiahivina, manana isa 7 ny FC A ary 6 ny FC Theo, raha 4 ny an’ny AS Fos.
Raha vao mivoaka ho mpandresy ny FCA Ihosy, tsy misy adihevitra intsony fa azon’izy ireo ny toerana faharoa satria manana isa 10 izy ireo. Raha manao ady sahala indray ka mivoaka ho mpandresy ny FC Theo dia ity ekipan’ny Sava ity no hahazo ny toerana faharoa. Hiankina amin’ny voka-dalao kosa ny hahatafita ny AS Fos izay kely ihany ny herijikany.
Tsiahivina fa tafita any amin’ny “Pro league” amin’ny taom-pilalaovana manaraka ireo ekipa roa voalohany, misolo ny toeran’ny Dato FC sy ny KFCA Diana.

Tompondaka

Partager sur: