Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’izao, 54 ny isan’ny trangan’aretina kitrotro niseho teto Madagasikara. Ambositra sy Ikongo ny tranga farany voamarina. Ilaina ny fanaovam-baksiny isorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.
Hisy hetsika fanaovam-baksiny faobe isorohana ny aretina lefakozatra sy kitrotro ampiarahana amin’ny fanatrarana ireo andiam-baksiny tsy mbola vita ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana. Ny 15 ka hatramin’ny 19 oktobra ny voatondro hanaovam-baksiny anatin’ny distrikam-pahasalamana 115, anatin’ny faritra 23, eny anivon’ny tobim-pahasalamana CSB 2 miisa 863. “Mampiavaka ny hetsika amin’ity andiany ity ny fametrahana toerana manokana handraisana ny ankizy atao vaksiny fa tsy misy ny fitetezana tokantrano toy ny andiany taloha”, hoy ny tale misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Tsivahiny Paubert, omaly, teny Andraharo. Misy mpanao vaksiny sy mpanentana ara-pahasalamana ny toeram-pandraisana tsirairay ka ny tomponandraikitry ny CSB manakaiky ny fokontany no mametraka ny lamina. Mitohy koa ny fanaovam-baksiny eny amin’ny CSB rehetra manerana ny Nosy mandritra ny hetsika manokana ary misokatra ho an’ny daholobe. Ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra sy ny kitrotro ary ireo vaksiny tokony hositrahan’ny zaza miaro azy amin’ny aretina maro no omena maimaimpoana. Tsy tafiditra amin’ny vaksiny mahazatra hatao kosa ny vaksiny miaro amin’ny tiberkilaozy sy ny aretim-pivalanana mpiseho amin’ny ankizy madinika.
Haharitra hadimiana ny asa ary tanjona ny hahavita vaksiny miaro amin’ny kitrotro zaza sivy volana ka hatramin’ny 59 volana 4 721 333. Tokony haharakotra ny 95% amin’ireo kilonga ny fahavitan’ny vaksiny hisorohana ny fisehoan’ny valanaretina kitrotro indray.
Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra, zaza (vao teraka-59 volana ) 5 546154 no hiantefan’ny fatram-baksiny, 95% koa ny tanjona tratrarina. Ho an’ny fanaovam-baksiny fanatrarana ireo vaksiny tsy mbola vita, ankizy 1 224 773 no hahazo izany ka tokony hahavita ny 35% mandritra ny dimy andro.
Tsy mazoto mampanao vaksiny eto Antananarivo
Eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano sy Atsimondrano ny 80% amin’ireo zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy. Nametrahana paikady manokana ny asa fandresen-dahatra ny ray aman-dreny hanaiky ny hampanaovana vaksiny ny zanany satria miaro amin’ny fahafatesana sy ny takaitra mandrakizay ateraky ny aretina azo sorohina ny fanatanterahana izany.
Vonjy