Rugby – « WXV III » : nanaovan’i Espagne fampisehoana ny Makis Ladies

Ratsy ny vokatra ho an’ny vehivavy malagasy Makis Ladies, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana iraisam-pirenena taranja rugby, « WXV III », izay atao any Dubaï. Nomontsanin’i Espagne 83 no ho 0 izy ireo, omaly.

Niraraka toy ny rano ny baolina nentin-tanana vitan-dry zareo espaniola, omaly, tao amin’ny Kianja Sevens Stadium Du­baï, raha nifanandrina tamin’ny Makis Ladies de Mada­gascar. Nomontsanin’ny ekipam-pirenena espaniola, Las Leonas, tamin’ny isa mavesatra 83 no ho 0, ny Makis Ladies de Madagascar, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana iraisam-pirenena taranja rugby, sokajy vehivavy, « WXV III ».
Raha hiverenana ny lalao, notsindrian’ireo eoropeanina mpilalao tanteraka ity ekipa solontenan’i Afrika ity. Dimy minitra nanombohan’ny lalao, nahatsindry baolina tao amin’ny faritra arovan’ny Malagasy ry zareo espaniola. Taorian’io, niampy hatrany ny isa teny amin’ny solaitrabe, ka 45 no ho 0 ny isa nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nampitomboin-dry zareo ihany ny isa, ka 83 no ho 0, no niafaran’ny fihaonana, lavo i Madagasikara.

Manantombo amin’ny traikefa
Raha ny hita omaly, toy ny hoe manao fanazarantena ny Las Leonas espaniola. Ma­nan­tombo amin’ny traikefa sy ny teknika ary ny tanjaka izy ireo. Tsiahivina fa laharana faha-13 ao amin’ny filaharana navoakan’ny World Rugby, i Espagne. Hita ho lesoka ho an’ny Malagasy kosa ny vatana sy ny fikorapahana be loatra eny ambony kianja ka maro ireo baolina votsotra teny am-pelatanana.
Taorian’iny lalao iny, mbola manana lalao roa afaka hanarenana ny lesoka i Madagasikara. Hikatroka amin’i Hong Kong indray ny Makis Ladies, ny zoma 4 oktobra ho avy , raha toa ka ny 11 oktobra ny fifanandrinana amin’i Samoa.

Fitia Randria

Partager sur: