SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, « XXL Top 12 ». Hamarana ny fifanandrinana eny an-toerana ny lalao izay hihaonan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo.

Nahatratra 156 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, izay atao ao Antsirabe, hatramin’ny rahampitso alahady. Tsiahivina fa lalaovin’olona telo miaraka, ary ny sokajy Séniors, lahy sy vavy, no misy amin’izany.

Hatao ny 28 sy 29 septambra izao, ao amin’ny Le Dojo Ampitan’ny Soavita Toamasina, ny fiadiana ny tompondaka rezionaly, taranja karate, ho an’ny ligin’Atsinanana. Sokajy Pupilles hatramin’ny Senior no hifaninana.

Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fifaninanana nasionaly N1A Elites 8, taranja basikety. Mampiseho ny tanjany hatreto ny ekipa tompondaka farany, ny GNBC na ny sokajy lehilahy, na ny vehivavy. Isa 71 no ho 56 no nandresen’ny GNBC ny BCB, teo amin’ny sokajy lehilahy.

Partager sur: