TARATRY ny KANTO

“Metal Madness Legends”, hotontosaina anio ity seho ho an’ny mozika mavesatra ity. Eny amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy ny fotoana, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra, mandritra izany, ry Kazar, Apost, Seth on fire ary Egraygore. Tohin’ny seho izay niarahana tamin’i Milon Kazar omaly ihany izy ity, karakarain’ny OZ Rekordz.
Harty Andriambelo & Friends, eny amin’ny Fara West Café Faravohitra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Fofompofony sahady amin’ny “Festival Madajazzcar” izay hanomboka amin’io herinandro io. Hitondran’i Harty sy ny namany mozika maroloko ho an’ny mpankafy. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ry Nini, Tsanta, Poun ary Tonny Toufa.
Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photo Anjohy, ny famelabelaran-kevitra, iarahana amin-dRanaivo Andrianasolo, mpandalina sy mpahay tantara. Ny mahakasika ny “Almanach et tetiandro Merina” no resahina mandritra izany. Ahafantarana ny niandohan’izany sy ny fomba fampiharana izany.
Tontosaina anio tolakandro, eny Antsahamanitra, ny fampisehoana fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Nabaoh. Mpanakanto maro no hiara-paly amin’ny tarika sy hifampizara sehatra amin’izy ireo mandritra ny fampisehoana. Efa vonona ny tarika hanome ny tsara indrindra avy aminy, hikalo ireo hira nahafantarana sy nankafizana ny tarika tao anatin’izay 25 taona izay.

Partager sur: