VAOVAO TAMBATRA

Mandeha ny fanamboarana tetezana any amin’ny lalam-pirenena faha-7, (PK 416+300), any Mahazengy Fianarantsoa. Nametrahana tetezamby vonjimaika any an-toerana, satria tapaka ny vahilava noho ny rivodoza Alvaro, ny janoary 2024 teo. Efa vita ny tetezana beton (dalot cadre), ka hoesorina amin’ny novambra ho avy izao ny tetezamby vonjimaika eo amboniny.
Misitraka ny « famatsian-jiro mora » ny any Matsiatra Ambony. Miisa 3 113 ny kaontera anjaran’i Fianarantsoa, ka efa voapetraka ny 485 amin’ireo any amin’ny fokontany miisa dimy, nanomboka ny 11 septambra teo. Marihina fa ireo tokantrano tena sahirana no misitraka ity « famatsian-jiro mora » ity, ka 30 000 Ar ihany no aloa.
Hisokatra ny 1 oktobra izao ny taom-pamarotana sy fanondranana lavanila voaomana. Manana sivy volana hatramin’ny 30 jona 2025 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana hanondrana lavanila voaomana ho an’ny taom-panondranana 2024-2025. Tsy maintsy manao fanambarana ny tahirina lavanila mialoha ny fikaton’ny taom-pamarotana sy fanondranana kosa ireo mpandraharaha.
Tsara toerana amin’ny resaka toekarena manga i Madagasikara ka antony nampiantranontsika ny Forum LMMA aty amin’ny ranomasimbe Indianina mandritra ny efatr’andro. Hifanakalo hevitra sy traikefa amintsika ireo firenena 9 mandray anjara amin’ny hetsika.

Partager sur: