Volley-Mada D1 : tafakatra manasa-dalana ny GNVB 1 sy 2

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana, anio, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère division, taranja volley-ball. Ekipa misongadina ny GNVB 1 sy ny GNVB 2, izay samy tafakatra amin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana ny voka-dalao, seta 3 no ho 0 (25-14/25-14/25-13) no nandresen’ny GNVB 1 ny ekipan’ny ASSM. Tetsy ankilany, nahazo ny fandresena tamin’ny seta 3 no ho 0 (24-15/25-23/25-14) nanoloana ny ASI 2, ihany koa, ny GNVB 2. Niady tanteraka kosa ny lalao ampahefa-dalana roa hafa, teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy nisaraka teo amin’ny tie break ireo ekipa nifanandrina. Ho an’ny Cosfa sy ny ASI 1, seta 3 no ho 2 (17-25/25-17/25-14/21-25/8-15) no nadavoan’ny ekipan’ny ASI 1 ny ekipan’ny polisy. Nano­katra ny fandresena tamin’ny seta voalohany ny ASI 1, raha toa ka norombahin’ny Cosfa ny seta faharoa sy fahatelo ary niverina tamin’ny ASI 1 ny seta fahefatra sy ny tie break. Toraka izany koa ny teo amin’ny Mama sy ny Pôle, izay nisaraka tamin’ny tie break, ka seta 3 no ho 2 (28-26/25-19/24-26/18-25/15-11), no nahazoan’ny Mama ny fandresena.
Raha ny fandaharam-potoana, hatao anio ny manasa-dalana, lahy sy vavy, ary rahampitso ny famaranana.

Mi.Raz

Partager sur: