Manana paikady mahomby ny tetikasa Diabe, hiarovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fampiasana fatana mitsitsy.
Mifantoka amin’ny fampiofanana sy ny fampitaovana amin’ny lafiny tontolo iainana ny tetikasa Diabe. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Manjakazaza, kaominina Ambohitrambo, distrika Arivonimamo. Nilaza Razafiarisoa Elisabeth, fa «maro ny tohana azony, toy ny zanakazo an’arivony isa. Eo koa ny zezika, ny masomboly ovy sy tsaramaso, sns. Nahazo fiofanana ara-teknika izahay amin’ny fambolen-kazo sy ny fambolena legioma ary lelavola hanampiana amin’ny fampiharana. Toy ny fampiasana ny ala vadim-boly na koa ny fifandimbiasam-boly. Efa misy maherin’ny 2 metatra ny haavon’ny hazo novoleko izao, tao anatin’ny efa-taona. Nisy tamin’ireo zanakazo anefa tsy naniry hatramin’ny farany, satria tsy nahazaka toetr’andro mafana ny sasany».
Tombontsoa azon’izy ireo amin’ny fambolen-kazo ny fananana hazo azo hanaovana trano, kitay, miaro ny fikaohan’ny riaka ny nofontany. Manampy ny sakafo kosa ny voly tsaramaso sy ovy, sady manampy amin’ny fidiram-bola.
Fatana Kamado
Zava-baovao any Ambohitrambo koa ny fampiasana ny fatana Kamado. Nohazavain-dRandriamanantsoa Richard, mpitarika ny tetikasa Diabe any an-toerana, fa mihena 30% ny kitay na saribao lany amin’ny fampiasana azy ity satria mitahiry hafanana ela kokoa. Fokontany 4 no efa mampiasa azy ao amin’ny kaominina, ary misy aza ny efa mivarotra ilay fatana. Afangaro ny tanimanga, lavenona, tany mena ary mololo, tahirizina mandritra ny 1 andro. Angovo ampiasaina ny vovoka saribao afangaro amin’ny vovoka tain’omby, atao bolabola. Maharitra herinandro vao lefy ny heriny.
Ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Afovoany ny tetikasa Diabe, tohanan’ny Fanaharanasam-pirenena enti-manondro sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed).
Njaka Andriantefiarinesy