Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco plus By-pass, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly, « World Cola Ligue des Champions ». Nahazo ny laharana voalohany ny FC Avenir du Sud.
Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba tafita any amin’ny diviziona voalohany «Pureplay Football League (PFL)». Nahazo ny tapakila tamin’izany, omaly, tetsy By-pass, ny FC Avenir du Sud Anosy sy ny FC Theo Sava. Norombahin’ity ekipan’ Anosy ity ny lelavola 12 tapitrisa Ariary sy ny amboaraben’ny “Poule des As”, ny tompondakan’i Madagasikara D2 Nasionaly, “World Cola Ligue des Champions”.
Ny mpanazatran’ny FC Avenir du Sud, Aristide Bienvenu, no nahazo ny mpanazatra mendrika indrindra nandritra ny fifanintsanana. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ilay lalao natao ny andron’io no nahazoan-dry zareo faharesena faharoa. Tsiahivina fa nomontsanin’ny FC Theo, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 ity solontenan’Anosy ity.
“ Faly tanteraka izahay fa tafita any amin’ny diviziona voalohany. Somary ratsy ny vokatra namaranana ny fifanintsanana satria maro tamin’ireo mpilalao no efa reraka ary tsy dia nisy tsindry tamin’izy ireo intsony iny fihaonana farany iny. Vonona tanteraka izahay amin’ny PFL”, hoy ny mpanazatran’ny FC Avenir du Sud, Aristide Bienvenu.
Nilaza moa ny tomponandraikitra eo anivon’ireto klioba roa efa tafita any amin’ny PFL ireto fa hikarakara ilay taratasy “Licence Caf”, mba hahafahan’izy ireo miatrika fifanintsanana iraisam-pirenena raha toa ka tompondakan’ny diviziona voalohany ny iray amin’izy ireo.
Ankoatra izay, mitana ny laharana fahatelo ny AS Fos Analanjirofo, rehefa nandavo ny FC A Ilakaka, tamin’ny isa 3 no ho 0, omaly, teny an-toerana ihany.
Tsara marihina fa samy nahazo lelavola avokoa ireto klioba efatra niatrika ny “Poule des As” ireto.
Fitia Randria