Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny delegasionina avy amin’ny Département du Vendée Frantsa, izay notarihin’ny filohan’ny filankevitra, Alain Leboeuf. Niara-nijery vahaolana ho fampivoarana ny maha olona amin’ny alalan’ny fihariana, sehatry ny fiompiana sy fambolena mitondra amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny roa tonta. Niara-nitsidika ny ivontoerana natao handraisana ireo olona vonona hifindra monina eny Fieferamanga, distrikan’Imeritsiatosika, Faritra Itasy, izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filoham-pirenana, Ankohonana Miarina, izany.
Velaran-tany mirefy 2000 m2 misy trano fonenana, toeram-piompiana sy fambolena no hitoeran’ireo olona eny. Amin’ny alalan’ny teknika Pfumvudza no hisitrahin’izy ireo izany mba hahafahany mihary sy manana sakafo ampy ho an’ny ankohonany mandritra ny taona. Niaraka tamin’ny minisitry ny Mponina ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahin’ny Avo, sy ny sekretera jeneraly miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, izay tompomarika amin’ny tetikasa Ankohonana Miarina.
Tatiana A