Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, handray ny fihaonamben’ny filoham-panjakana aty amin’ny ranomasimbe Indiana na COI i Madagasikara. Handray ny toerany anio kosa ny sekretera jeneraly, Edgard Razafindravahy.
Hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara, ny fiandohan’ny taona ho avy. Ho ambohi-pihaonan’ireo filoham-panjakana ny any Nosy-Be Hell ville. Efa nanamafy ny fahavononany sy ny ho fandraisany anjara ny ankamaroan’ny firenena mpikambana. Anisany nanaiky ny hanatrika izany i Maurice. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy ny praiminisitra maorisianina, omaly hariva. Notanterahina tao amin’ny Conférence Room, an’ny Sands Hotel izany. Efa naneho ny fahavononany ho avy hanatrika ny fihaonana ny praiminisitra Pravind Kumar Jugnauth raha mbola voafidy izy. Marihina mantsy fa ao anatin’ny fotoam-pifidianana solombavambahoaka izao ny ao Maurice. Ary ireto farany no manendry ny praiminisitra izay tena mitantana ny firenena maorisianina.
Fandresena diplomatika
Manao tohy vakana amin’ny alalan’izao fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony izao ny fandresena ara-diplaomatikan’i Madagasikara, eto Afrika sy amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana. Vao tsy ela akory no nandray ny fivoriamben’ny Africa 50 i Madagasikara.
Ary ny taona 2025, ho fihaonana avo lenta roa sosona no indray horaisin’i Madagasikara. Hiditra amin’ny fitantanana ny Sadc i Madagasikara, amin’ny alalan’ny filoha Rajoelina Andry, amin’io taona hitsidika io.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny fihaonana tahaka izao. Sehatra ahafahana mametraka ny feony amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra samihafa ao anatin’ny fikarakarana ny fihaonana. Ifantoka amin’ny «sécurité et souveraineté alimentaire de l’Océan Indien», ny lohahevitra nosafidian’i Madagasikara.
Marihina fa any Maurice ny filoham-pirenena malagasy amin’izao fotoana, hiatrika ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny sekretera jeneraly vaovaon’ny COI, Razafindravahy Edgard.
Lin