“Tsara raha dieny izao dia miezaka mampahafantatra ny tenany ireo kandidà”, hoy ny avy amin’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, ny amin’ny fifidianana kaominaly. Eny, na mbola amin’ny 19 novambra aza vao tena manomboka ny fampielezan-kevitra. Efa nipetraka ny firotsahan-kofidina, voatana ny maha kandidà: efa azo atao ny mampahafantatra ny momba ny tena.
Neken’ny Ceni ny fitoriana nataon’ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko, manohitra ny filatsahan-kofidin-dRakotovao Rivo ho kandidà ben’ny Tanàna amin’ny anaran’ny vovonana Firaisankina ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Nohamafisin’ity depiote voafidy tao Toliara ity fa tsy nisy ny fanendrena kandidà, amin’ny alalan’ny vovonana Firaisankina, ao amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Mahajanga.
Nanambara ny fanohanany ny kandidà Harilala Ramanantsoa amin’ny fifidianana ben’ny Tanànan’Antananarivo ny antoko Freedom, tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny. ”Vehivavy feno fahasahiana matoa nanaiky hiatrika ny adidy mavesatra ho fanarenana an’Antananarivo ka mendrika tohanana…”, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy.
Hivoaka anio ireo lisitry ny kandidà afaka hofidina ho ben’ny Tanàna. Nifarana omaly ny fanamarinana sy fandinihan’ny avy eo anivon’ny Ovec ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidina teo aminy. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ceni, manana kandidà avokoa ireo kaominana 1695 eto Madagasikara.