Hotontosaina eto Antananarivo, ny 28 oktobra hatramin’ny 3 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra anaty efitrano “Futsal”, sokajy U13, U15, U17 ary ny zokiny Vétérans sy ny Super vétérans. Amin’ity andiany voalohany ity, nilaza ny filohan’ny Kaomisionina misahana ny futsal sy ny beach soccer eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Jean Pontiac Théophan, ny sabotsy lasa teo, tetsy Isoraka, fa ho ferana ho ekipa 10 isan-tsokajy ihany no mandray anjara. Tanjon’ity hetsika ity ny hananana klioba Sénior afaka mifanintsana amin’ny taona ho avy ary ny hisian’ny ekipam-pirenena Barea Futsal.
“Malalaka tanteraka ny fandraisana anjara, afaka manao avokoa ireo mpilalao rehetra na manana taratasim-pilalaovana aza”, hoy Rasoanaivo Rado, tale teknika nasionalin’ny FMF. Nilaza moa ity tomponandraikitra eo amin’ny lafiny teknikan’ny fifanintsanana ity fa kianja mitafo roa eto an-dRenivohitra no hanatanterahana ny hetsika. Anisan’izany ny Gymnase sy ny Lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny taranja Futsal no anisan’ny tena nampisongadina mpilalao maro toa an-dry Ronaldinho, Neymar, Robinho, mpilalao brezilianina.
Fitia Randria