INDRAY MIJERY

Nomarihina ny sabotsy teo ny Andro
maneran-tany hiadiana amin’ny haromontana. “Fohanantsika ireo sakana amin’ny ady atao amin’ny haromontana”. Io no lohahevitra novoizina. Fisorohana tsara indrindra ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny haromontana ireo biby ompiana toy ny saka sy alika.

Nanome fe-potoana 48 ora ny Jirama,
nanomboka ny sabotsy teo, ny fikambanan’ny mpianatra Akatso II A Miray. “Manohintohina ny fianarana ataonay ary tsy manaja ny zo maha olona mihitsy ny fahatapahan-jiro”, hoy ireo mpianatra. Mikatso avokoa ny ampahany betsaka amin’ny fianarana sy ny fiainan’ny mpianatra rehefa tapaka ny jiro.

Hanamarika ny faha-25 taonany amin’io taona 2025 io ny Vondron’ny polisy monisipaly ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nantomboka tamin’ny fotoam-bavaka izany ny herinandro teo. Miisa 600 ireo polisy monisipaly am-perinasa ary heverina hahatratra 1 800 izy ireo afaka 10 taona.

Taratry ny fahombiazan’ireo oniversite
manakaiky vahoaka ny fanavaozana ny oniversite ao Analanjirofo. Mandray mpianatra 700 mahery ny fotodrafitrasa ankehitriny. Vinavinaina hitombo avo roa heny izany amin’izao fahavitan’ny fanavaozana izao. Namoaka mpianatra 192 ny onoversite, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: