Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao. Tsy takona afenina, tsy ilaozan’ny tahotra sy fanahiana korontana. Mby amin’izay nitaizan’ny sasany saina hatramin’izay hoe krizy politika mialoha na mandritra ny fifidianana? Sanatria… Misy ny manao vava tsy ambina amin’izany? Ny depiote mpanohitra aza efa niloa-bava tamin’ny fandranitana vahoaka amin’ny valifaty politika: fidinana an-dalambe… Ny tody hono, tsy misy, fa ny atao no miverina. Izay rehefa tsy araka izay iheverany azy izay mitranga sy atao. Tsy inona fa fanakorontanana fotsiny izao.
Fiteny ny hoe tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana. Nefa misy tsy ilaozan’izay mikendry sy mahita tombontsoa amin’ny fanakorontanana: famafazana lainga, fanaratsiana, fanakiviana… Miverina amin’ny tsy misy ny toe-draharaham-pirenena amin’izany? Noho ny kajikajy sy paipaika politika… Ny vahoaka no atao sorona? Nefa tsy hidina akory ny vidim-bary, handeha ny famatsian-jiro sy rano, hanjaka ny fandriampahalemana… Ny mifanohitra amin’izany aza no ho vokany sy tambin’ny fanakorontanana. Eny, na hirahiraina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka tsy hita be ihany.
Tombontsoa manokana hatrany no manesika sy manetsika amin’ny politika? Korontana tombontsoa no iadiana fo. Tsy mahagaga raha mihavery hasina hatrany ny politika sy ny mpanao politika. Tsy matoky ny vahoaka, leo, mitady zava-baovao. Hanao ahoana izao fifidianana kaominaly? Ny tena ihany no antony… Hisy ve ny fiovana amin’ny fomba fanaovana politika izao? Izay miova no afa-kanova, izay matoky tena no itokisana… Ndeha hanakorontana ve no toy izany? Eo ny vahoaka mahita sy miaina, mandinika sy mitsara, hanapa-kevitra sy hifidy… Misy ny korontana tombontsoa?
R. Nd.