“Ny zava-misy dia tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy.”, hoy ny loholona Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana kaominaly. Efa niainana izany, nanomboka ny taona 2018. Hatramin’izao, miditra ao anatin’ny fahamatorana demokratika i Madagasikara. Matoa ny iraisam-pirenena toy ny Sadc sy ny Firenena mikambana (ONU) mametraka avo dia avo eo amin’ny toerana sahaza azy, ny ezaka natao no nahatonga an’izany. Filohan’ny Sadc i Madagasikara, sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), filoha lefitry ny Fivoriambe faha-79 ny ONU. Hita fa manana fahamarinan-toerana i Madagasikara ary misy fahazoana mandroso.
Amin’izany, tsy manan-jo hiditra ao anaty korontana i Madagasikara. Mihamazava amin’ny vahoaka malagasy ny hoe: inona ny tanjona, inona no tokony horaisina… ? Tanjon-dry zareo mpanakorontana, i Madagasikara tsy mandroso fa mikorontana. Mba hahazoan-dry zareo manatanteraka izay eritreretiny hatao izany, fa tsy mijery izay tombontsoa iombonan’ny Malagasy. Samy manana ny azy ny hevitra politika. Samy miezaka manazava fa tsy azo ekena eto intsony ny fanakorontanana. Miezaka hampandry fahalemana ny tany amin’ny lafiny rehetra ny fitondram-panjakana. Mba hampizotra koa ny fifidianana, fa antoka iray ahazoana manamafy ny maha demokratika an’i Madagasikara.
R. Nd.