Temagnombe Cyria Olivine, Miss Androy. Taorian’ny lanonam-pamaranana dia voahosotra hitondra ny anaram-boninahitra ho «Miss Madagascar» ity tovovavy ity. Tsy mora ny asan’ireo mpitsara, izay nisafidy tamin’izy 19 mirahavavy solontenan’ireo faritra manerana ny Nosy. Tsy mora ihany koa ny masontsivana nosedrain’ireo mpifaninana, indrindra nandritra ny famaranana tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny alin’ny sabotsy teo.
Nosinganina tao anatin’ny maro i Cyria Olivine, ka izy no handeha hisolontena an’i Madagasikara any amin’ny «Miss Monde» manaraka eo. Teo amin’ny 1 e Dauphine Ramindrisoa Sonia, «Miss Diana». 2e Dauphine kosa Randriamanoelina Sonia Fitia, «Miss Analamanga». Teo amin’ireo fifaninana isan-tsokajy, mendrika tamin’ny «Challenge World designer» I OlyH, avy any Menabe, izay hisolontena ihany koa ny mpamoron-damaody malagasy any amin’ny Miss Monde.
22 taona, mirefy 1,73 m ary mbola mpianatra i Cyria Olivine. Efa nahazo ny fiofanana rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ny Miss Monde izy. Mbola hanaraka azy akaiky amin’izany ny komity mpikarakara. Goavana ny fanamby miandry azy.
Zo ny Aina